Praiminisitra Ntsay Christian: “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby…”

Nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny atrikasam-paritra ho an’ny fametrahana fandriampahalemana, tanterahina any Menabe, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany.

“Aoka isika tsy ho voarebireby na hadalain’ ny mpanao politika sy ny fahavalom-pirenena fa hijoro ka hanatanteraka ny asa miandry amin’ny fifidia­nana ny ho filohan’ny Repo­blika, hitondra ho an’ny 5 taona ho avy”, hoy izy. Nan­teriny fa tsy hisy asa vanona eto amin’ny firenena raha tsy tonga saina ny rehetra amin ‘ny fanampiana ny fametrahana fandriampahalemana sy filaminana. Anisan’izany ny lafintany sy ny fitsarana ary ireo mpitandro filaminana mba ho tonga amin’ny tanjona, araka ny nambarany. Nanaovany antso avo ny hiatrehana ny fifidianana anaty fitoniana ka anisan’ny fanamby horaisina ho an’ny tsirairay ny fametrahana ny kolontsain’ny filaminana sy fandriampahalemana. “Sarotra anefa ny hahatanteraka izany raha tsy eo ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny soa iombonana”, hoy ihany izy.
Notsiahivin’ny lehiben’ny governemanta fa nilamina, nahitana fifandimbiasam-pahefana nanaraka ny lamina demokratika ny taona 2019. Manantena ny praiminisitra fa hanohy izany izao fifidianana amin’ity taona ity izao ka hananana filoha mendrika hitondra ho any amin’ny 5 taona manaraka indray.
Tsiahivina fa notapahin’ny teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hanatanterahana ny fikaonandoha iraisam-paritra momba ny fiarovana sy ny fandriampahalemana andiany voalohany. Tanterahina any Morondava, faritra Menabe hatramin’ny anio izany. Hitohy any amin’ny faritra hafa aorian’izany. Any an-toerana ireo rehetra misahana ny filami­nana sy fandriampahalemana ary koa ireo avy eny ifotony.

Synèse R.

Partager sur: