“Efa samy mahalala isika fa 11 043 836 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Tsy miakatra ary tsy mihena io. Izay voasoratra amin’izay no hifidy amin’ny 9 novambra”, hoy ny mpanolotsaina eo
anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michakël, momba ny fanomanana sy fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Noho izany, tsy mbola afa-mandray anjara amin’izany aloha ireo teratany malagasy any ivelany na ny diaspora.
Manatanteraka izay voalazan’ny lalàna ny Ceni. Tsy manana fahefana hanao na hanova lalàna ny amin’izany ry zareo, fa misy ny fahefana mpanao lalàna. Na izany aza, mihaino hatrany ny hevitry ny rehetra ny Ceni. Na mpanao politika io, na firaisamonina sivily… Fanentanana no atao mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay amin’izao fanomanana sy fiatrehana fifidianana izao.
“Tsy mijery fotsiny ny Ceni. Diso ny filazan’ny sasany hoe mangina ny Ceni. Tsy mangina izahay, fa izay lalàna mifehy anay ihany no ampiharinay. Tsy afa-kanatanteraka izay tsy voalazan’ny lalàna izahay. Izay lalàna misy no iasan’ny Ceni”, hoy izy. Samy mahalala ny rehetra fa hiatrika fifidianana amin’ny 9 novambra. Entaniny ny olom-pirenena hiomana amin’izany. Aoka mba tsy hotarihina amina fomba sy lalana hafa indray izay fiatrehana fifidianana izay.
R. Nd.




