Navoakan’ny HCC, afakomaly, ireo antontan-taratasy ilaina ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 izany ka anisany ny fanamarinana ny fandoavan-ketra, ny fanambaram-
pananana sy ny fanamarinam-ponenana ary ny kara-pifidianana. Tsiahivina fa hanomboka ny 23 aogositra izao ny fametrahana ny antontan-taratsy.
Hanao fitsidihana ofisialy any Rwanda ny filoha Andry Rajoelina mivady, ny 7 sy 8 aogositra izao, araka ny fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. Valin’ny fanasana ofisialin’ny filoha rwandais, Paul Kagamé, tamin’ny jona 2019 izany, hisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa.
Mahafinaritra ny filazan’i Paraina Auguste sy Ravalomanana Marc ary Andrianainarivelo Hajo fa hirotsa-kofidina izy ireo, araka ny nambaran’ny depiote IRD voafidy tany Mahanoro, Rakotoson Hubert. Hahazoana milaza izany fa handeha ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Misy izany ny fahatokisana ny Ceni, satria handray anjara amin’ny fifidianana ireo “kandidà” ireo.
“Mialoha ny fifidianana isika izao, mitady fitoniana. Tsy misy antoko na olona ambonin’ny lalàna. Na olom-boatendry na olom-boafidy io, na olom-pirenena tsotra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, momba ny teny midina navoakan’ny minisiteran’ny Atitany maniraka ny lehiben’ny distrika sy ny prefet hanao tatitra eny amin’ny kaominina ny zava-bitan’ny fitondrana.