INDRAY MIJERY

Mitohy ny hitetezan’ireo fiaraben’ny fahasalamana ireo distrika maro manerana ny Nosy. Olona 1 901 no noraisina an-tanana maimaimpoana tao amin’ny distrikan’Antsohihy anatin’ny hetsika fanomezana tolotra ara-pahasalamana “Sarobidy ny aiko”. 5 703 kosa ireo olona voaentana mahakasika ny herisetra mifototra amin’ ny maha lahy na maha vavy (VBG).
Efa nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny fandoavan’ny fanjakana malagasy anatin’ny kitapombola iombonana “Gavi alliance” ny anjarany amin’ny fividianana ny vaksiny ho an’ny ankizy. Mitentina 10 553 284 dolara izany ho an’ity taona ity ka 1 409 686 dolara no anjaran’i Madagasikara ahazoana manao ireo vaksiny mahazatra ho an’ny zaza.
Hisy ny hetsika “coup de poing” hitondran’ny fanjakana foibe fanampiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanadiovana ny tanàna sy hanalana ireo fako miangona. Hovatsiana solika ny CUA ahafa­han’ny fiarabe miasa tsy tapaka. Hokitihina ny ampaham-bola ao amin’ny minisiteran’ny Rano havadika any amin’ny fanadiovana ny tanàna.
Nanomboka tamin’ity volana ity ary haharitra hatramin’ny oktobra ny tetikasa fiahiana sosialy “Ankohonana Miatrika”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 50 tapitrisa dolara. Tokantrano 797 694 no hisitraka izany amin’ny faritra 23. Homena 250 000 Ar ny isan-tokantrano hikarakarana ny fidiran’ ny mpianatra sy tohana amin’ny sakafo.

Partager sur: