Randriamamy Mathyas, Malagasy mpilalao baolina kitra, anisan’ireo voasokajy ao anatin’ireo amidy ao amin’ny klioba frantsay, Paris Saint-Germain. Marihina fa ao amin’izany ihany koa, i Kylian Mbappé, kintan’ny baolina kitra frantsay. Tsy manaraka fanazaran-tena miaraka amin-dry Neymar, mpilalao brezilianina moa izy ireo.
Lalaon’ny “Francophonie”. Miisa efatra ireo atleta malagasy mahazo medaly amin’ity fifaninanana izay atao any Kinshasa ity. Taorian’i Mbola, mpitolona sy i Sidonie, mpihazakazaka 100 m misy fefy, i Fabio, mpilalao tenisy ambony latabatra sy i Narindra, mpanao Judo no manampy azy ireo.
Ligy FMF. Hotanterahina ny 12 aogositra ho avy izao ny fifidiananana filohan’ny ligy miisa 22 eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny fikarohana natao, kandidà tokana ihany ny an’ny faritra Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny CFEM sy ligin’Analamanga teo aloha.
“Mercato”. Nifindra lasy amin’ny klioban’ny Paris Saint-Germain ilay kintan’ny baolina kitra frantsay, Ousmane Dembélé. Hotanterahina anio, ny taratasim-pifanarahana rehetra sy ny fijerena ny toe-pahasalamany. Tsiahivina fa tao amin’ny Barcelone FC, klioba espaniola izy, teo aloha.