Sehatra ihazakazahan’ny mpanao mpolitika indray ny famonjena hetsika ara-pivavahana. Rakotra azy ireo ny fanokanana mpiandry tany amin’ny toby Ankaramalaza, tamin’ity herinandro ity.
Samy niatrika ny fanokanana mpiandry, natao tany amin’ny toby Ankaramalaza, eo anivon’ny fiangonana FLM ireo mpanao politika, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny kandidà Ravalomanana Marc sy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery ary ny solontenan’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Niatrika ny fotoam-bavaka tany an-toerana avokoa izy ireo. Efa mpandeha amin’ny hetsika tahaka izao rahateo ireo filoha teo aloha, mirahalahy.
Etsy andaniny, nanolotra 6 tap Ar hanampiana sy hanohanana ny toby ny Mihava Tour, raha nampanantena ny hanamboatra ny lakozia hikarakarana ny sakafon’ireo mpino ny fiadidian’ny faritra any an-toerana. Hitohy any amin’ny tobin’i Soatanàna, Matsiatra Ambony ny fotoan-dehibe manaraka ho an’ireo kristianina ireo, ny 17 septambra izao.
Tsiahivina fa hitohy any Sava amin’izao faran’ny herinandro izao ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny HVM amin’ny vahoaka raha tao Andranomanelatra kosa ny mpanorina ny Tim, omaly. Nihaona amin’ireo mpizaika eo anivon’ny Kristianina tanora avy amin’ny Loteranina (KTLM) ny tenany tamin’izany.
Ankoatra izany, hitohy any Fianarantsoa kosa ny Mihava Tour, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, anio ary hipaka hatrany Ambalavao izany ny alahady izao raha efa avy tany Ambositra sy Ambohimahasoa izy ireo, nialoha izany.
Synèse R.




