Orthodoxe Russe any Ukraine : voahitsaka ny zo sy ny fahalalahana

Notanterahina omaly, teny amin’ny Consulat de la fédération de la Russie teny Ivandry, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny momba ny zava-misy iainan’ny fiangonana Ortho­doxe Russe, ao Ukraine. Nandritra izany ny nanambaran’izy ireo ny fanitsakitsaha ny zo sy ny fahalalahan’ny mpino ao amin’io fiangonana io. Teo ihany koa ny mahakasika ny fisamborana mpitarika ny fiangonana Orthodoxe Russe sy ny fanakorontanana fiangonana, amin’io finoana io, tamin’ny toerana maro ao Ukraine.
Tsy nijanona teo amin’ny ady ara-miaramila intsony ny ady eo amin’i Russie sy i Ukraine fa nitohy hatrany amin’ny finoana sy ny kolontsaina mihitsy. Mpiara-miasa amin’ny pretra 250 isa sy pretra 14 no nosamborina nalaina am-bavany hatramin’izao. Nisy ihany koa ny fampidirana am-ponja eveka iray, izay voaheloka higadra 4 taona an-tra­nomaizina, noho ny famoahana saina tsy nifanaraka ta­min’ny tokony ho izy. Nanam­bara ny mpitarika ny fivavahana Ortho­doxe Russe, any Ukraine, fa maro ny tsy fanajana ny zo fototra sy ny zon’olombelona atao amin’izy ireo. Tsy malalaka ny olona amin’ny fivavahana ataony, ary misy mihitsy aza ny fanakorontanana fiangonana mandritra ny fivavahana, ny fakana am-bavany ireo mpiara-miasa amin’ny pretra ary ny fisamborana ireo pretra sy mpitondra ny fiangonana Orthodoxe Russe.

Lin M

Partager sur: