Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Anjozorobe, afakomaly.
Lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary Vohilena, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 5 aogositra teo. Nikasa haka an-keriny tao amin’io kaominina io ihany, naharay angom-baovao ny zandary avy eo anivon’ny kaompania Imerina Centrale. Mikotrika fanaovana takalonaina ry Salama sy ny ekipany. Ny fokontany Fanjarivo no anisan’ny saika voakasika. Nialokaloka tao amin’ny fokontany Andafiatsimo-Ambedamena ireo mpaka an-keriny. Nidina ifotony hisambotra ireo olon-dratsy ireo ny mpitandro filaminana. Nahatazana ireto farany, nirefodrefotra ny poa-basy nataon’
ireo jiolahy. Tetsy ankilany, niaro tena ka nanapoaka ny basy teny aminy ny zandary. Vokany, voan’ny bala i Salama. Maty vokatr’io tifitra nahazo azy io ity jiolahy malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ity. Nirifatra nandositra ny mpiara-dia aminy. Manohy ny fikarohana ireo jiolahy tafaporitsaka nandritra io fifandonana io ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Raha tsiahivina, ny volana jona teo no lavon’ny zandary koa ny mpaka an-keriny iray tao Anjozorobe sy ny manodidina, atao hoe Lemainty.
Tsiferana R.