Narahina roa lahy nitondra moto, notereny tamin’ny sisin-dalana ka voadaroka kibay sady voaroba ny mpanao gazety iray avy nanao ny asany tao Betsoahana, distrikan’i Mandoto, ny zoma 4 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny fanaovana “investigation” na fanadihadiana tamin’ny raharaha ady tany ao amin’io toerana io izy. Nihazo ny lalana hody, roa lahy nanaraka azy tamin’ny moto. Noteren’ ireo olon-dratsy tamin’ny sisin-dalana ny moto nentin’io mpanao gazety io. Tsy afa-niroso intsony, arak’izany, ity farany. Nipoitra tsy lavitra teo koa ny dimy lahy hafa. Namoaka zava-maranitra, nitaky vola ireo jiolahy. Voaroba ny
200 000 Ar. Novelesiny kibay io mpanao gazety io ka torana. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Nahatsiaro tena, nahare finday naneno ilay voaroba. Niantso vonjy tamin’ny alalan’ny telefaonina. Nanavotra azy ny tomponandraikitry ny fandriampahalemana ao an-toerana. Etsy ankilany, “tsy fantatra mazava hatreto izay tena nahazo io mpanao gazety io. Manahy ny mponina fa nianjera teny amin’ny arabe fotsiny ihany izy”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Mandoto. Nalefa notsaboina any Antsirabe, noho ny ratra nahazo azy ilay lasibatra, araka ny fanamafisany. Manoloana ny tranga, manameloka ny fandrobana sy vono nianjady tamin’io mpanao gazety io ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM). Mitaky fanadihadiana lalina momba izao raharaha izao ity farany. Arahina akaiky ny fivoaran’ny tranga.
Tsiferana R.