Lisi-pifidianana : miisa 150 000 ireo anarana nohamarinin’ny Ceni

Hanamarina ny ahiahin’ny Frankôfônia ny Ceni. Nitondra fanazavana ny teknisianina eo anivon’ny Ceni, Ranaivo­dimby Alberto Claudel, misahana ny haitao ara-kajy mirindra “Systèmes d’information et des nouvelles technologies”.
Nambarany fa miroso amin’ny fanitsiana ny tsy fahatomombanana hitan’ny mpanao fitsirihana toy ny Fran­kôfônia (OIF) sy ireo Mala­gasy ma­nampahaizana ny lisitry ny mpifidy ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Tom­banana ho vita ao anatin’ny 20 andro ny asa rehetra momba izany, araka ny nambarany. “Anisan’ ny atao amin’izany ny fanitsiana ny anarana sy ny mombamomba ny mpifidy ahitana fahadisoana. Tsy misy fampidirana mpifidy voavao intsony noho ny rejisi-pifidianana efa nikatona”, hoy izy. Hamarinina avokoa ny ahiahy naroson’ny mpanao fitsirihana momba ny tranga heveriny fa misy tsy fetezana, araka ny nambarany hatrany.
Miisa 150 000 ireo anarana mpifidy nahavitana fanamarinana sy fanitsiana, tao anatin’ny 2 andro nanombohan’ny asa. Hita amin’ireo distrika 11 izany. Miisa 19 kosa ireo distrika tena voakasiky ny tatitra nataon’ny mpitsirika, araka ny nambarany. “Hoje­rena sy hamarininina avokoa anefa ny distrika 119 mba hananana lisitra madio sy azo antoka”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nifarana tanteraka ny 20 jolay teo ny rejisi-pifidianana nasionaly. Ny 26 jolay kosa no nanao ny tatitra ny mpanao fitsirihana: ireo Malagasy manampahaizana avy eto an-toerana sy ireo vahiny avy amin’ny OIF.

Synèse R.

Partager sur: