TARATRY ny KANTO

Slam Sambava. Zuma Ianotombo sy Para­cetamol no hisolo tena ny tanànan’i Sambava, mandritra ny “Slam national 14”. Vita ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana ho azy ireo. Hitohy amin’ny faran’ny herinandro izao izany, ho an’ny tanàn-dehibe sasany sahala amin’ny ao Antsirabe sy Fianarantsoa.

“Formation Ainga”. Tantaran’ny haikanto, niarahana tamin’Andrianetrizafy Hemerson, mpahay tantara sy mpahay kanto no anisan’ny nisongadina tao anatin’izay iray volana voalohan’ny “Formation Ainga”, karakarain’ny Fondation H, eny Ambatomena. Tanjona ny nanefy mpahay kanto mahafehy ny lafiny rehetra, ahafahany miaina ankalalahana sy mampiroborobo ny haikantony.

Seraseran’ny Mpahay Kanto. Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpahay mikirakira ny haitao ara-kajy mirindra ny Mpahay kanto amin’izao fotoana izao, ny amin’ny tetikasa famoronana tambajotran-tserasera ho an’ny mpahay kanto sy ny mpanoratra. Manom­boka ny volana septambra no eritreretina ho azo ampiasaina izany sehatra ifaneraserana izany.

“Festival Dona Be”. Lanonana makotrokotroka no namaranana ny “Festival Dona Be” andiany fahatelo, tao Fenoarivo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Hetsika ara- kolontsaina sy zavakanto ary ara-panatanjahantena maro samihafa no nentina nandravaka ity hetsika lehibe ity.

Partager sur: