Maro ireo karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana entin’ireo fiaraben’ny fahasalamana anatin’ny hetsika “Sarobidy ny aiko”. Ankoatra ny fizahana ankapobeny, ahitana gynécologie, échographie, ophtalmologie, ORL, fanjarian-tsakafo, fitsaboana ny fo sy ny lalandra, fitarafana, fitsaboana nify koa ny tolotra.
Hiara-hiasa ny «Humanité £ inlcusion», amin’ ny alalan’ny tetikasa «Hifali 2» sy ny Centre hospitalier Le Vinatier any Lyon, momba ny fikarakarana ireo olona tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina. Tonga teto Madagasikara ny manampahazaina avy any amin’ny hopitaly any Lyon nitsidika tany Mahajanga sy teto Analamanga hametraka ny fiaraha-miasa.
Tao anatin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo, nizarana fanampin-tsakafo misy otrikaina ny vehivavy mitondra vohoka 108 895. Zaza nahatratra 305 017 nomena plumply hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo. Ho an’ny vitamine A, 12 584 489 no notsinjaraina ary ankizy 6 tapitrisa no nihinana ody kankana.
Nivory nandinika ny tohin’ny hetsika eny
amin’ny oniversite ny mpampianatra mpikaroka anatin’ ny Seces sampana Antananarivo, omaly. Tsy mbola nahazo valiny avokoa ny fitakiana samihafa mifandraika amin’ny zon’ny mpampianatra notakiana.




