Hanomboka hiaina lalaom-paritany indray ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Hifanintsana eto an-drenivohitra avokoa ireo faritany enina mandray anjara amin’ny “Coupe du Président 2023”.
Hotanterahina ny 10 – 20 aogositra ho avy izao, eto an-drenivohitra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Coupe du Président 2023”. Araka ny valandresaka natao tamin’ireo mpanao gazety, omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, mandray anjara avokoa ireo faritany enina eto amintsika : Antananarivo, Toliara, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsiranana.
Raha ny fanazavan’ny mpikarakara, hizara vondrona roa ireo faritany ireo, ka ao amin’ny vondrona “A” no misy ny ekipa voafantin’Antananarivo, Toamasina, Toliara, raha toa ka ny mpilalaon’i Mahajanga, Fianarantsoa, Antsiranana ny “B”. Hihaona daholo ireo ekipa telo isam-bondrona, ka izay roa voalohany isan-tsokajy no tafita amin’ny manasa-dalana.
Marihina fa eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass no hanaovana ny lalao fifanintsanana isam-bondrona sy ny manasa-dalana raha toa ka ao amin’ny Kianja Barea no hanatontosaina ny famaranana.
Ireo ligy mikambana ao anatin’ ny faritany no angalana ny mpilalao. Raha ho an’ny ekipa voafantin’Antananarivo, ireo mpanao baolina kitra avy amin’ny ligin’Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra nanaovana fifantenana. Miisa 25 ny olona ao anaty ekipa iray, 20 mpilalao ary 5 “Staff”. Tsiahivina fa ny 5 febroary lasa teo ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina no nilaza fa hasiana ny amboaran’ny filoha. Natao hampiray ny Malagasy rehetra eto Madagasikara izany fifaninanana izany. Nomarihin’ ireo mpikarakara fa tsy misy vidim-pidirana ny lalao rehetra.
Ankoatra izay, hisy ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea de Madagascar Chan sy ny Elgeco Plus, solontenan’ny ekipa malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Hotontosaina amin’ny lanonam-panokafana izany.
Fitia




