Hotanterahina any Casa blanca Maroc, manomboka ny 14 – 20 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate. “Tsy handray anjara amin’io fifaninanana afrikanina io ny sokajy “sénior” noho ny lalaon’ny Nosy, saingy hisy atleta mianadahy zandriny ho any an-toerana”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasiona karate malagasy (FKM), omaly, teny Mahamasina.
Ny sokajy lehilahy “cadet” sy ny vehivavy “junior” no hiaro ny voninahi-pirenena amin’io fifanintsanana io. Nomarihin’ity filoha ity fa hisy Malagasy mpitsara alefa hiofana any an-toerana mandritra ny fifaninanana. Ireo mpitsara ireo ihany no hitantana ny fifanandrinan’ireo mpikatroka amin’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023.
Natao ho fanomezan-danja ny JIOI 2023 ny anton’izany rehetra izany, hoy ihany ity filoha ity. Marihina fa manana fanamby lehibe ny Federasiona karate eto amintsika, ny hahazo medaly volamena maro amin’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023.
Fitia




