Mpianadahy niady lova : vehivavy maty, nolerana antsy

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny vehivavy iray. Notetitetehin’ny anadahiny antsy izy, ny 19 jolay lasa teo. Voalazan’ny mpanao famotorana fa ady lova no antony.

Tranga mampalahelo no niseho tao amin’ny fo­kontany Anjijibe, kaominina Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsina­nana, faritra Analanjirofo, ny 19 jolay lasa teo. Notetehin’ny anadahiny antsy ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Indrazana Gertrude, 61 taona. Indrazana Jean Baptiste mpiray tampo aminy ihany no tompon’antoka. Nitondra ny zafikeliny manao fialan-tsasatra sady hijery ny fambolena no tena anton-dian’izy ireo tany an-toerana kanjo zava-doza no nitranga. Fantatr’ilay anadahiny ny fahatongavan’ity anabaviny tao an-tanàna. Sendra nandeha teny an-tanimbary ilay niharam-boina, narahiny avy ao aoriana. Tsy nisalasala izy nikapakapa antsy ny anabaviny teo ima­son’ny zanany roa lahy. Tsy nahatohitra ity nahavanon-doza anefa ireo zanany roa lahy.
Taorian’ny asa ratsy na­taony, nikasa hamono tena i Indrazana Jean Baptiste. Nihinana fanafody marobe izy saingy tsy maty. Nentina haingana naiditra hopitaly. Vokany, nosamborin’ny zandary ny zanany roa lahy. Nentina notsaboina ao amin’ny hopitalibe ao Fenoarivo Atsinanana ilay niharam-boina. Tsy vita tao anefa izany fa nitohy tao amin’ ny hopitaly manara-penitra Toamasina. Noho ny fahasarotana nateraky ny fahavoazana anefa voatery nalefa namonjy hopitaly misy scanner aty Antananarivo izy. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Homi) ilay niharam-boina.
Ny fanadihadiana no na­hafantarana fa taorian’ny fahafatesan’ny ray aman-drenin’izy mianadahy no nahalalana fa nokasain’i Indrazana Jean Baptiste ho azy irery ny lova rehetra any an-tanindrazana. Izany rahateo no antony nahatonga azy namono ny anabaviny toy izao.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: