Miisa 14 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Kenya Airways eto amintsika, nanomboka ny 1 jona 2023 teo. Sidina mampitohy an’i Nairobi sy Antananarivo izany. Hita fa mihatsara tsikelikely ny fizahantany eto Madagasikara, ary miverina amin’ny laoniny toy ny talohan’ny krizy Covid-19 izany.
Manomboka anio 10, 11, 12, 13 aogositra izao, ny « Foarabe RN 44 », hatao any Ambatondrazaka. Miisa 200 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana, ny fandraharahana, ny asa tanana, ny fizahantany, ny kolontsaina, sns.
Miisa 2 500 ny tanora kendrena hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Tetikasa iarahan’ny Sekoly ambony mikasika ny teknolojia (IST) sy ny tetikasa Tanora malagasy manam-pahaizana amin’ny asa (JMCT). Hisy ny fanofanana ho mpampiofana. Misy koa tanjona manokana hanofanana tanora miisa 250 nijanona tamin’ny fianarany ha haverina hanohy indray, na koa homena fiofanana arak’asa.
Miisa 2 tapitrisa ny karatany ho zaraina amin’ny Malagasy. Nampahafantarina tany Toliara tamin’ny volana jolay teo izany, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), Rtoa Vina Marie-Orléa, sady minisitra mpiahy ny faritra Atsimo Andrefana. notronin’ny governora, depiote, sns. Nozaraina moto koa ny ben’ny Tanàna any amin’ny distrika Betioky, Ampanihy ary Benenitra, miampy kits scolaires sy fiara mpitondra marary.