Hotanterahina eny amin’ny FJKM Ialanana Vavolombelona, synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA-10) ny fanamarihana ny faha-30 taona niorenan’ny sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Haharitra 4 andro ny fanamarihana izany eny an-toerana izay hihaonan’ireo Sampati manerana ny Nosy.
Nomena fiofanana ireo tomponandraikitra isam-paritra eo anivon’ny fikambanan’ny varira eto Madagasikara. Niandraiketan’ny Firenena mikambana sy ny “Albinism Africa Network” ny fanomezana izany. Fanamafisana ny fiarovana ny zony sy ny fizarana traikefa amin’ny ady amin’ny fanilikilihana no anisan’ny natao tamin’izany.
Hizara traikefa amin’ireo lehiben’ny fari-pitantanana ara-pedagojia sy talen-tsekoly ireo mpiofana mahakasika ny fananganana ny mpikambana amin’ ny FEFFI. Naharitra roa andro ny fampiofanana ho an’ ireo tomponandraikitra ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana telo amin’ireo enina mandrafitra ny ny foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena Analanjirofo.
Tombanana hidina ny maripana ho an’ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy amin’izao fisasahan’ny herinandro izao ary hiitatra miandalana amin’ny afovoantany, any amin’ny faran’ny herinandro. Niverina ho maina ny andro manerana ny Nosy fa mety hisy orana tandrifin-drahona mandalo ny morontsiraka atsinanana sy ny tapany afovoany andrefan’ny Nosy.