Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Elgeco stadium By-Pass, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra amin’ny fanomanantenan’ny roa tonta amin’ireo lalao iraisam-pirenena hatrehiny atsy ho atsy. Raha tsiahivina, lalaon’ny Nosy ho an’ny Barea de Madagascar ary fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona ho an’ny ekipa tompon’ny amboara aty Afrika kosa ny an’ny Elgeco Plus.
Fotoana hitsapan’ireo mpanazatra roa tonta, ny mpilalaony io lalao io. Hatramin’izao mantsy tsy mbola mivoaka ny lisitra ofisialin’ny Barea de Madagascar. Nangataka fihemorana kely ny mpanazatra Rôrô, noho ny fijerena ny toe-batan’ireo mpilalao isanisany. Ankoatra izay, mbola andrasana koa ny fahatongavan’ireo mpilalao mpila ravinahitra avy atsy amin’ny Nosy La Réunion.
Hametraka ny paikady efa nomen’ny mpanazatra ireo mpilalaony kosa ry zareo Elgeco Plus. Hanamafy ny famonoam-baolina fa izay no lesoka eo amin’ity ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara ity. Ny Gaborone United avy atsy Botsowana no hidona amin’izy ireo, eo amin’ny lalao savaranonando. Fihaonana mandroso, hatao any Gaborone, ny 19 aogositra ho avy izao ary ny 27 aogositra ny miverina etsy Mahamasina, raha tsy misy ny fiovana. Raha ny fandaharam-potoana, hanainga ny 17 aogositra, ny Elgeco Plus.
Tompondaka