Haneho ny heviny momba ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko UNDD. Hotanterahina eny amin’ny trano fonenan’ny Pr Zafy Albert, Villa Franchise Ivandry izany ary iantsoana ny mpanao gazety. Tsiahivina fa mivoy hatrany ny fampihavanam-pirenena ity antoko ity.
Mpanao politika fahatelo, noraisin’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, ny kandidàn’ny Tim, Ravalomanana, tamin’ity herinandro ity, teny Andranomena. Voaresaka ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana. Tsiahivina fa efa noraisin’ny ambasadaoro ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina sy ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo.
Nilaza ny maha kandidà ho filohan’ny Repoblika azy Rasoamaka James, teny Soavinimerina, afakomaly. Mpitarika ny fikambanana Mamiko ny taniko Madagasikara (MTM) izy, mpanolotsain’ny kaominina Ambohimanga Rova. Nambarany fa tsy maintsy mahafeno ny fepetra takin’ny lalàna izy amin’izany.
Nanolotra 9 hetsy dolara hiatrehana ny fifidianana ny Amerikanina, tamin’ny alalan’ny masoivohony, omaly, teny Alarobia. Nambaran’ny filohan’ny Ceni fa natao hikirakirana ny fifidianana, hanamafisana ny fampandraisana anjara ny mpifidy sy hanentanana ny olom-pirenena izany. Natokana ho amin’ny Basket-Fund kosa ny 4 hetsy dolara.