Hanomboka afaka 15 andro, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, izay hotanterahina eto Madagasikara. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny atleta malagasy izay hiaro sy hiady ary hitondra avo ny voninahi-pirenena, ankehitriny. Manoloana izany, tonga nijery sy nankahery ary nanolotra “vatsy” ho an’ireo atleta malagasy miatrika fampivondronana eo amin’ny taranja Judo, ady totohondry ary hazakazaka bisikileta, ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Resampa André Haja. Nitondra ny fanohanana izy amin’ny maha minisitra mpiahy ireo taranja ireo azy, omaly. Nambaran’ny federasiona voakasika fa voavaha ny olana. Nihaino azy ireo ny minisitra. Hanohy hatramin’ny farany ny fampivondronana, araka izany, izy ireo ” Tsy mikely soroka ianareo mankahery sy manome tohana samihafa, na ara-tsakafo izany, na ara-pitaovana na ara-bola mba hahatomombana ny fiatrehan’ireo atletantsika io lalao io satria voninahi-pirenena no harovana” hoy izy ireo.
Mi.Raz