TARATRY ny KANTO

Kitra D2 Nasionaly. Namoaka ny filaharana vonjimaika amin’ity fifaninanana ity ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Mitana ny laharana fahefatra ny ekipan’ny FC Rouge, tompondakan’Analamanga. Marihina fa tsy mbola nahita fandresena mihitsy ity ekipan’Ana­la­­manga ity ary manana isa 2 izy ireo.

Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao baolina kitra. Nilaza ny tenany, omaly, fa tsy hiala ao amin’ny klioban’ny Paris Saint Germain, klioba Frantsay. Araka izany, tsy hisy ny fifindran’ity mpilalao ity ao amin’ny klioban’ny Real Madrid, espaniola. Marihina fa hifarana amin’ny taona 2025 ny fifanarahana eo amin’ny Mbappé sy ny PSG.

Sedera sy Voavy Paulin ary Angelo. Notan­tera­hina omaly, tany la Reunion, ny fihaonana teo
amin’ny AS Excelsior sy ny US St Pauloise FC. Lavon’ny St Pauloise tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Excelsior. Marihi­na fa ao AS Excelsior, misy Mala­gasy roa milalao: i Angelo sy i Sedera, ho an’ny US St Pauloise kosa i Voavy Paulin. Nahatafiditra baolina i Angelo.

“IHF Trophy Continental”. Nomontsanin’i Gui­née, tamin’ny isa 46 no ho 13, i Madagasikara, omaly, nandritra ny andro fahatelon’ny fifaninanana ho an’ny sokajy “Cadette”. Tsy mbola nahazo fandresana ny Akio “cadette” hatramin’izao.

Partager sur: