Voahosin’ny kamiao : niara-maty ny mpamily sy ny mpanampy azy

Niara-namoy ny ainy ny mpamily sy ny mpanampy azy, afakomaly. Taraiky tao ambanin’ny kamiao namboarina izy ireo rehefa nisy fiara lehibe iray nifaoka tanaty haizina.

Niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Bemasoandro, Ano­sibe Ifody, distrikan’i Mora­manga, ny mpamily iray sy ny mpanampy azy, afakomaly. Tratry ny tsy fahatomombanana ny kamiao nentin’izy ireo. Nanamboatra izany tao ambanin’ny fiara izy roa lahy. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, tsy nanampo na inona na inona ny mpamily ny fiara lehibe iray. Ny andro maizina rahateo, ka nifatratra avy hatrany tamin’ilay fiara namboarina teo amin’ny arabe izy. Vokany, tavela tao am­banin’ny fiara noezahiny novelomina ilay mpamily sy ny mpanampy azy. Maty tsy tra-drano potika tao ambanin’ ny fiara izy ireo. Ankoatra azy ireo, nisy tovolahy iray naratra tao anatin’ilay fiara nandona.

Mpitondra scooter tapa-tongotra
Nifandona tamin’ny moto iray mifanohi-dia taminy ka tapa-tongotra ny mpitondra scooter iray teo Ankazo­manga, omaly maraina. «Nangalatra niditra havanana izy», hoy ny mpamily ny moto iray tsy naratra. Tao anaty
fitohanan’ny fifamoivoizana, nitera-doza indray ny kodiaran-droa. Nandeha mafy ireo moto roa. Potika tanteraka ilay moto lehibe. Handeha hamadika ny iray tamin’ireo mpi­tondra moto niharan-doza ireo. “Vao omaly no nitran­gana lozam-pifamoivoizana teto”, hoy ny mponina eo an-toerana.
Ankoatra ny tranga voa­tanisa ireo, olona iray hafa koa maty voafaokan’ny taksibrosy teo amin’ny RN 34, PK 20+100, Ambohinaorina, fo­kontany Ambodihady, kaominina Betafo, afakomaly. Ni­fatratra tamin’ny mpandeha tongotra ilay fiara tapaka hisatra. Olona valo voafaoka ka tsy tana ny ain’ny iray tamin’ izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: