Ankatso – mpangalatra moto : saika matin’ny fokonolona

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity jiolahy tratran’ny fokonolona nangalatra moto teny Ankatso, omaly, ity. Teo am-panosehana moto-n’olona iray teny amin’ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy no tratra. Nanamparan’ny olona ny hatezerany ilay jiolahy. Daroka, vely kibay, izany no nihatra taminy. Tsy afa-nanohitra intsony ity olon-dratsy ity manoloana ireo fokonolona efa nentin-katezerana. Efa nokasain’ny olona hodorana velona aza izy raha tsy tonga haingana ny polisy naka azy teny an-toerana. Anisan’ny mampitaraina ny olona eny Ankatso ny firongatry ny halatra moto. Vao tamin’ ny herinandro teo no nisy moto iray very ihany koa teny Ankatso ka antony nahatonga ny olona tezitra tamin’ireo mpangalatra. Roa lahy ry zalahy no niara-nanatanteraka ny asa ratsy. Ny iray mody mandeha moto koa ka ny iray no maka ilay moto halatra.
Hitan’ny zandary miasa eny Ambohibao Antehiroka nandritra ny fisafoana, afakomaly alina, koa ireo moto scooter roa nafenina tao anaty lobolobo tao amin’ny fokontany Andranoro. Nanao fampilazana avy hatrany ny zandary ka tonga teny amin’ny biraon’ny zandary ny tompony niaraka tamin’ny taratasy naka izany. Nilaza ireo tompony fa nisy nangalatra ireo moto ireo.

J.C

Partager sur: