Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy efatra mpanao sinto-mahery eny Ampefiloha sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Isotry no nahasambotra azy ireo. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ ireo andian-jiolahy manao ny asa ratsiny eny Ampefiloha. Nifanehitra tamin’ny polisy ry zalahy ireto, omaly. Naharay antso avy amin’ny vondron’ny fandriampahalemana fokontany Manarintsoa Atsinanana ny polisy momba ny fisian’ireto andian-jiolahy mpanao sinto-mahery ireto. Eny amin’ny faritry ny lalamby Ampefiloha izy ireo no tsikaritry ny olona, tamin’io fotoana io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’izy ireo. Teo am-panendahana vehivavy iray sendra nandeha tamin’iny lalamby iny ry zalahy no noraisim-potsiny. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy Ampefiloha ireto jiolahy ireto. Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa sady mpanao sinto-mahery no manao fanafihana mitam-piadiana izy ireo. Ao anatina fikambanan-jiolahy izy efa-dahy, araka ny fanazavany tamin’ny fanadihadian’ny polisy.
J.C