Nampahafantarin’ny filohan’ny FJKM, sady eo anivon’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako, omaly, ny fihaonambem-pirenena, hokarakarain’izy ireo. Hotanterahina ny 30 aogositra izao eny amin’ny ISTS Mandrimena ka anasana ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena… Fara-fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara, ny 17 aogositra ho avy izao eny Anjohy.
Nifampidinika tamin’ny Ceni ny Tim. “Dinika tamim-pirahalahiana no nandalovan-dry zareo taty amiko. Teboka telo no nifampiresahanay”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, afakomaly, taorian’ny fihaonany tamin’ny antoko Tim. Voalohany tamin’ny fifampidinihana ny fahalalahana maneho hevitra sy fanentanana amin’izao fotoana izao. Tsy manakana izany ny Ceni.
Mila manao ezaka isan’andro amin’ny fandraisana olona ny sampandraharaha mikarakara ny sora-piankohonana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, tany Antsirabe, afakomaly. Tokony horaisina amim-panajana sy fahamendrehana ny olona. Tsy tokony hisy ny kolikoly ary ialana ny fampiverenana olona;
“Misy gadraina amin’ny namantsika. Raha vao azontsika eo ny fahefana, ireo no mivoaka voalohany”, hoy ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny RMDM, Ravalomanana Marc, tamin’ny fanamarihana ny faha efa-taonan’ny RMDM, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly. Tsy voahaja ny demokrasia. Vao mainka loza ny fanampenam-bava atao amin’ny mpanohitra sy izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra.