TARATRY ny KANTO

Entanina hatrany ireo manana vakoka mahakasika ny haino aman-jery eto Madagasikara. Hotokanana tsy ho ela ny Mozean’ny haino aman-jery, na ny “Havoria”. Ilazana ireo fianakaviana, namana na mpiara-miasa manana sary sy ny mombamomba ireo mpiasa trananin’ny RNM sy TVM, na ireo nodimandry na ireo mbola misotro ronono, mba hizara izany.
Tonga omaly i Erick Manana. Raha vao mahita hirika dia mandalo mamangy. Efa eto an-tanindrazana izy, taorian’ny seho maromaro nataony tany Eoropa. Hiatrika ny “Feo roa, gitara roa”, fanaon’izy sy i Dama, nanomboka ny taona 2010, ny zoma 18 aogositra amin’ny 7ora, sy ny alahady 20 aogositra amin’ny 3 ora tolakandro, samy ao amin’ny CCEsca Antani­mena.
Mitohy hatrany ny ady hiragasy. Hifandona ny alahady 13 aogositra ho avy izao ny tropin’i Dadalôra avy any Manalalondo sy Rafaralahy Raymond avy any Ambatoantranobe. Fahombiazana hatrany, izay niseho. Efa ela no tsy nanana toerana manokana ho an’ny hiragasy, ka na ny hijery fotsiny aza dia mahaliana ireo mpankafy ity seha-kanto ity.
Hizara ny sanganasan’i Norah Jones i Faniah, manana ny feo mampiavaka azy izy, saingy ankafiziny manokana ity mpanakanto ity, anio, hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina. Hanotrona azy etsy amin’ny Chik’n’Art Ankorondrano i Anjara Rako­tozafiharison (gitara), Vatsiahy Valason (contrebasse) ary i Tsanta Randriamihajasoa (piano).

Partager sur: