Nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny rahampitso, ao amin’ny lycée manara-penitra Ambovombe Androy, ny fampiofanana ireo talen-tsekoly 470 sy lehiben’ny fari-pitantanana ara-pedagojia 23. Mahakasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana ao amin’ny fari-piadidiana Ambovombe, miaraka amin’ny Unicef.
Nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny Seces Antsiranana. Hiroso amin’ny fitokonana koa raha tsy misy valiny mahafa-po ny fitakiana hatramin’ny 21 aogositra ho avy izao. Fikambanana fahatelo hiroso amin’ny fampitsaharana ny asany izy ireo manampy ny eto Antananarivo sy Fianarantsoa.
1 700 000 ny isan’ny vehivavy vaovao hampiasa ny fanafody fandrindram-piterahana amin’ity taona ity, raha efa mikirakira izany 3 tapitrisa mahery, araka ny tomban’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hividy fanafody fandrindram-piterahana ny minisitera haparitaka amin’ny hopitaly manerana ny Nosy.