Ho tapaka ny famatsiana herinaratra any amin’ ny faritra Atsimondrano rahampitso. Hisy fiantraikany amin’ny famatsian-drano koa izany noho ny fampiakarana tosika “surpresseur” miankina amin’ny herinaratra. Atao izao hisorohana ny fahatapahan-jiro matetika eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Nidina ho 600Ar ny kapoakan’ny vary any amin’ny faritra Melaky, tamin’ity herinandro ity, raha toa ka 650 ka hatramin’ny 700Ar izany teo aloha. Nahitana fidinana koa ny vidin’ny siramamy nafarana sy ny menaka any Amoron’i Mania. Tsy niova fa marin-toerana ny vidin’
entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro any amin’ny faritra hafa.
Betsaka ireo tanora mpandraharaha nandray anjara tamin’ny fampiofanana ataon’ny « 3,2,1 Pitch! By Fihariana », natao tetsy amin’ny antenimieran’ny varotra sy indostrian’Antananarivo, ny talata teo. Noresahana manokana ny singa ilaina amin’ny fandraharahana matihanina. Zava-dehibe ny fifehezana ny antsipirihany mikasika ny tetikasa.
Hankalazaina ny 18 sy 19 aogositra izao, any Morondava, ny Androm-pirenena ho an’ny toekarena manga. Toekarena manga ! Fanoitran’ ny fisandratana ho an’ny hahasoa ny Malagasy, ny lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity. Hisy ny hetsika maro isan-karazany hanamarihana ireo roa andro ireo any an-toerana.