SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus Stadium By Pass, ny andro voalohan’ny fiadiana ny amboaram-paritra “Coupe du Président 2023” ho an’ny vondrona B. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny ekipan’i Mahajanga sy i Fianarantsoa. Nano­katra izany tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.

Higadona eto Madagasikara, anio, ny Afo Olym­pika. Hirehitra mandritra ny lalaon’ny Nosy 2023 ity afo ity. Raha ny fandaharam-potoana, hitety an’ireo renivohi-paritany enina izany, Antsiranana no handray azy anio. Rahampitso dia anjaran’i Maha­janga no hianoka ny fandalovany.

Resin’ny 3FB Alaotra Mangoro tamin’ny isa 4 no ho 2 indray ny FC Rouge Analamanga, omaly, tany Ambatondrazaka. Lalao baolina kitra, sokajy diviziona faharoa. Tsiahivina fa tsy mbola nahita fandresena mihitsy ity tompondakan’Analamanga ity, nandritra ireo lalao efatra nataony. Ankoatra izay, lavon’ny Jet Bongolava, 1 no ho 0, ny FC Inate Vakinankaratra.

Hiainga eto an-tanindrazana manomboka ny
talata ho avy izao, ho any Botswana, ny Elgeco plus de Madagascar, lalao tafiditra amin’ny Coupe de Confédération de La Caf. Marihina fa hifandona amin’ ny Gaborone United FC any an-toerana izy ireo, ny
19 aogositra ho avy izao. Ny klioba Elgeco plus, milaza fa efa vonona ny hiatrika ny fifaninanana.

Partager sur: