Saika horobaina : raim-pianakaviana maty gorobaky ny bala

Nokasain’ny jiolahy horobaina ny moton’ny lehilahy iray teny Andrefan’ Ambohijanahary, omaly. Niezaka nanavotra ny fananany izy saingy maty voatifitra .

Namoy ny ainy! Voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray, omaly, tetsy amin’ny Paraky, An­drefan’Ambohijanahary. Niala tao amin’ny trano fonenany vao mangiran-dratsy, nikasa haka ny zaodahiny izay monina tsy lavitra eo izy no voata­fika. “Mbola nisolo akanjo anefa ilay valilahiny ka niandry teo ivelany izy”, hoy ny zan­drin’ny maty, nanaovana fanadihadiana teny an-toerana. “Nipoitra tampoka ny lehilahy iray tsy fantatra nitondra basy. Nanambana fitaovam-piadiana tamin’ilay rahalahiko nitondra moto. Nitaky ny fanalahidy io olon-dratsy io tokony tamin’ ny 5 ora sy 15 min”, hoy ha­trany ny fanamafisan’ity na­naovana fanadihadiana.
“Tsy nanome izany izy, niezaka nitsoaka. Notifirin’ny jiolahy avy hatrany. Nitsofoka teo amin’ny ilany havanan’ny tanany ny bala. Nivoaka tamin’ ny ilany havia ambany heliny izany.”, hoy hatrany ny mpitantara tamin’ny mpanao gazety.
Nilaza ho nahare olona niantso vonjy ny manodidina. Nisy ny nivoaka nanavotra azy. Nentina nihazo ny hopi­taly HJRA ilay lasibatra, saingy tsy tana ny ainy. Nitsoaka nandositra ny nahavanon-doza. Tsy voaroba ilay moto. La­tsaka tamin’ny tany ny fanalahidiny.
Mitaraina amin’ny ateraky ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana ny mponina. “Tsy milamina intsony ety”, hoy ny solontenan’izy ireo. Mateti-pitranga, ny fanendahana sy sinto-mahery ary ny fandrobana. Tsiahivina, mise­holany ny halatra moto an-keriny ataon’ny jiolahy mitondra fitaovam-piadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: