Niara-maty ny mpamily sy ny vehivavy iray hafa tao anatin’ny fiara tra-doza teo Antsira, kaominina Antsoatany, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Vaky kodiarana tampoka ny fiara tsy mataho-dalana nentin’ny talem-paritry ny Asa vaventy iray, tamin’ny 11 ora maraina. Nivadibadika ny fiara teo amin’ny PK 142+900. Vokany, maty tsy tra-drano ny vehivavy iray tafavoaka tao anatin’ny fiara. Tsy avotra koa ny ain’ilay talem-paritra rehefa nentina nihazo ny hopitaly. Voa mafy teo amin’ny lohany ity farany. Naratra mafy ny olona roa hafa tao aoriana.
“Efa notsaboina eo anivon’ ny hopitaly Ave Maria Antsirabe ireo naratra”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Anatin’ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria ao Antsirabe, ankehitriny. Nikasa hihazo an’i Toliara hitokana fotodrafitrasa ireto tra-doza. Ankoatr’io, olona iray maty, vokatry ny lozam-pifamoivoizana ihany, tao Ambarivato, Nosy-Be, omaly. Olona dimy tao anatin’ny fiara Starex. Naratra ny efatra ka nentin’ ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly.
Tsiferana R.