Teatra Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny teatra notontosain’ny “Tropy Ilo”. Ny piesy teatraly “Mose Lemera”, nosoratan-dRatsimbason Pierre Emile no nolalaovin’izy ireo tamin’izany. Ao anatin’ny ezaka famerenana ny hasin’ny teatra tanteraka ny tomponandraikitra amin’izao. Ary hisy matetika ny seho hanatrarana izany tanjona izany.
“Literature and Ideas Festivals-LIFEs”. Tontosaina any Jakarta, Indonesie, mandritra ny valo andro, nanomboka ny 11 aogositra 2023 teo ny hetsika. Mandray anjara mavitrika amin’izany isika Malagasy, amin’ny alalan’i Johary Ravaloson, mpanoratra. Hetsika maro ho fampivoarana ny mpanoratra no mameno ny fandaharam-potoana.
Sehatra Bagasy. Tontosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Aro Antsahavola ny “Zarasehatra Bagasy”. Nizara roa ny fandaharam-potoana. Ny tapany voalohany, nihanohana ireo hira ba gasy tao anatin’ny amam-polo taona, niarahana tamin’ny R’Imbosa. Ny fizarana faharoa, nanatanterahan’izy ireo ny tatitry ny diany tany ivelany. Fotoana nahafahana nampahafantatra ny Sehatra Bagasy sy ny andraikitra sahaniny.
Hetsika “Salon des jeux de société”. Miditra amin’ny herinandro faharoa, eny amin’ny Aft Andavamamba, amin’ity herinandro ity ny hetsika. Fifaninanana amin’ireo karazana kilalaon-tsaina maro no handrafitra ny fandaharam-potoana. Tsy anavahana fa rehefa feno 18 taona dia afaka mandray anjara avokoa.