Nigadona ny sabotsy hariva eto Madagasikara, ny afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy. Tao Antsiranana no nandray izany. Hitety ny renivohi-paritany enina, mialoha ny lalao.
Vahoaka marobe no efa niandry ny fahatongavan’ny afo Olympika, tao amin’ny kianjan’Antsiranana, ny sabotsy lasa teo. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Naka izany tany Maorisy ny delegasiona notarihin’ ny minisitra Resampa Haja André tamin’ny zoma. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry fa hampiredareda ny firaisan-kina, sy firaisan-tsaina ary firaisam-pon’ny Malagasy ity afo Olympika ity. « Mba ao anatin’ny fifankatiavana tanteraka no hiatrehina ny lalaon’ny Nosy. Averiko ombieny ombieny fa fandresena ao anatin’ny fahasamihafana no tanjona”, hoy hatrany izy. I Sidonie Fiadanantsoa no niaraka nampita ny afo tamin’ny filohan’ny Repoblika.
Atleta manana ny maha izy, nitondra avo ny voninahi-pirenena teo amin’ny taranja atletisma i Sidonie. Ankoatra ny nandrombahany ny medaly volamena, tamin’ny lalaon’ny Nosy, ny taona 2019, tatsy Maorisy. Vao nahazo ny laharana voalohany tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia farany teo, tany Kinshasa, Congo izy. Anisan’ny atleta antenaina handrombaka medaly volamena amin’ity lalaon’ ny Nosy, hatao eto Madagasikara izy. Nitso-drano azy ny filoha Rajoelina.
Tsiahivina, efa tany Mahajanga ny afo olympika, omaly. Mbola hitety ireo renivohi-paritany hafa, toa an’i Toliara, Fianarantsoa, Toamasina mialoha ny hijanonany eto Antananarivo. Afaka 11 andro dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy. Efa anatin’ny fikarakarana tanteraka, na ny fandraisana ny vahiny delegasiona na ny eo amin’ny fanomanana ireo Malagasy atleta. Anatin’ny famaramparanana ny zava-drehetra ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.
Mi.Raz
Lalan’ny Afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy
12 aogositra: Antsiranana
13 aogositra: Mahajanga
19 aogositra: Toliara
20 aogositra: Fianarantsoa
23 aogositra: Antananarivo