Ligy-baolina kitra : rava sahala ny fifidianana tany Sava

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny anivon’ny faritra 22, mandrafitra ny federasiona malagasy, baolina kitra, ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy. Samy nahazo vato roa avy, tamin’ireo seksiona efatra tany Sava, i Belalahy Aurelien sy i Pontiac Jean Theophan. Raha ny vaovao voaray, efa nisy ny fihodinana fahatelo saingy nijanona tamin’io ihany ny vokatra farany.

Marihina fa kandidà efatra no nirotsaka hofi­diana tany an-toerana. Araka ny fanazavana nomen’ ny loharanom-baovao iray, na­verin’ny mpikarakara eo anivon’ ny kaomisionina misahana ny fifidianana ao amin’ny FMF ny raharaha.

Lany 100% i Tôta

Efa nampoizina, voafidy hi­tan­tana indray ny ligin’Anala­manga, taranja baolina kitra, mandritra ny efa-taona manaraka, Rakotoa­rimanana Henin­tsoa na i Tôta. Nahazo vato enina tamin’ireo seksiona enina, tonga nifidy tetsy Andoharanofotsy, ny sabotsy 12 aogositra lasa teo ny tenany. Marihina fa izy irery ihany no kandidà tamin’izany.
Nohamafisiny fa hiady ny amin’ny resaka fanohanana ireo klioba milalao eto an-toerana ihany koa ny tenany ary hanome sehatra ho an’ny tanora.

Fitia

Ireo voka-pifidianana voaray omaly :

Analamanga : Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta
Matsiatra Ambony : Solofotafika Mamindraibe na i Mamibe
Atsinanana : Marcel Andry Herinjatovo
Boeny : Maeva Portos
Androy : Jean Michel Henri
Vatovavy sy Fitovinany : Rabenirina Iandrinirina Jacquinot
Ihorombe : Ratsimanotry Razafiarison
Analanjirofo : Ramaroson Jacques
Itasy : Ranasolo Adolph
Melaky : Tsakora Paul Ben Ali
Atsimo Andrefana : Randrinantenaina Régis

Partager sur: