Amboaran’ny filoha: tafita amin’ny manasa- dalana Antananarivo sy Antsiranana

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, by-pass, ny andro faharoan’ny am­boaran’ny filoha “Coupe du Président” 2023, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana Antananarivo sy Antsirananana. Marihina fa nomontsanin’Antananarivo, tamin’ny isa 5 no ho 1, i Toliara, raha toa ka nandavo an’i Mahajanga, 3 no ho 2 Antsiranana.
Raha hiverenana ny lalao nihaonan’i Toliara sy An­ta­nanarivo. Ny ekipan’Antananarivo no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’i Armando, teo amin’ny minitra faharoa, taorian’io nosahalain’i Tony ny isa, ny minitra faha -16. Araka izany, 1 no ho 1 ny isa nentina niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nampiseho ny heriny ny mpilalao avy eto an-drenivohitra, nampian’i Urgino, i Dimby, i Cocka, i Tsila ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niafara tamin’ny 5 no ho 1 ny isa nisarahana, nandresy ny mpilalaon’Antananarivo. Voaho­sotra ho mpilalao mendrika tamin’ity fihaonana ity i Armando.
Ankoatra izay, niondrika teo anatrehan’Antsiranana, 3 no ho 2, i Mahajanga, tompondaka farany tamin’ity lalaom-paritany ity. Marihina fa nahatafiditra baolina telo tamin’ity fihaonana ity i Florian ka notolorana azy ny amboara mendrikin’ ny fihaonana. Tsiahivina fa hotoloran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, vola avokoa ireo mpilalao mandray anjara. Tsara ny mampahafantatra fa mbola hifanan­drina amin’i Toamasina i Toliara ho an’ny vondrona A, raha hi­fandona amin’i Fianarantsoa kosa i Atsiranana, ho an’ny sokajy B.

F. Randria

Partager sur: