Namaly ny resa-be mahakasika ny haha kandidà, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriantsima Faneva Ima. Nambarany tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy lasa teo, tetsy Amparibe fa tsy mieritreritra izany izy. «Ambarako amin’ny fomba ofisialy fa tsy kandidà ny tenako ary tsy manohana olona ihany koa», hoy izy. Nomarihiny fa betsaka ny nangataka azy hirotsaka kanefa nolaviny. « Tsy izany no mahamaika fa ny fomba hampandrosoana ny baolina kitra hatrany ifotony. Manova ny sata mifehy azy. Mba tena ny mpisehatra mitsemboka sy maharary eny ambony kianja no higoaka sy hahazo tombontsoa fa tsy ireo olom-bitsy, tsy mahalala akory ny baolina kitra», hoy hatrany izy.
Filohan’ny CCFM
Notanterahina tamin’ny sabotsy, tao amin’ny efitranon’ny St Misely Amparibe, ny fivoriambe voalohan’ny “Collectif des clubs du football de Madagascar (CCFM)”. Ivondronan’ireo filohan’ekipa manerana an’i Madagasikara. Ankoatra ireo mpitantana ekipa eto Antananarivo, nisy ny avy any Matsiatra Ambony namaly ny antso sy ireo manodidina ny Renivohitra. Fifanakalozan-kevitra narahina dinika sy nandraisana ireo tsikera sy vahaolana avy amin’ireo mpivory no natao. Ankoatra izay, nisy ny fananganana ny birao hitantana ny CCFM. Lany ho filoha, Andriantsima Faneva Ima.
«Tsy hikarakara fifaninanana na hanakana fifidianana no tanjona fa hiditra ao anaty rafitra toy ny fikambanan’ny mpitsara, ny mpanazatra ka hanana anjara fitenenana amin’ ny fivoriambe ary hanan-jo handatsa-bato koa ny CCFM», hoy izy. Hangataka ny taratasy ahazoany mijoro ara-panjakana any amin’ny minisitera ny CCFM.
Torcelin