INDRAY MIJERY

Ny fanjakana no hiantoka ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana “freeze tag”, ilaina amin’ny ady amin’ny Covid-19, izay fanampiana tsy averina avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Fitaovana hanaraha-maso ny maripanan’ny akora iray mila fampangatsiahana toy ny vaksiny sy ny fanafody hafa ilaina amin’ny fitsaboana izany.

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Boeny, ny atrikasa nanaovana jery todika sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Ireo fari-piadidiana enina mandrafitra ny foibem-pitondram-paritra Boeny no mandray anjara amin’izany.

“Ndao hiara-hientana hiady amin’ny fihanaky ny fidorohana zava-mahadomelina” no lohahevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora 2023, nandraisan’ireo tanora mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa anjara, niaraka tamin’ireo tanora eto anivon’ny faritra Matsiatra Ambony.

Misongadina ny hafanana saika manerana ny Nosy, indrindra ho an’ny afovoantany manontolo sy ny faritra Atsimo Atsinanana, ao anatin’ny hateloana. Tombanana hiverina indray ny orana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka amin’ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy ary ny faritra maro amin’ny afovoantany, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro .

Partager sur: