Efa niverina omaly ihany ny famatsiana ny herinatra ao Ambohimanambola mankao amin’ny « sous-station » Ambodivona, izay nanapaka ny famatsiana herinaratra ho an’ny faritra Atsimondrano. Tsiahivina fa nisy fiantraikany mivantana tamin’ny famatsian-drano ny zava-nisy, noho ny fampiakarana tosika « surpresseur » miankina amin’ny herinaratra.
Nahazo tohana 17 tapitrisa Ar ny kaoperativa Miara-mizotra, ao Ihosy, nandritra ny fifaninana GALS, nokarakarain’ny fandaharanasa Défis sy ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ONG Procasur. Tamin’ny alalan’ny fanehoany ny lalàn’ny vina nataony. Tanjona ny hamokatra mangahazo
3 744t ao anatin’ny dimy taona.
Nomena zanatrondro 5 000 ireo mponina ao amin’ny fokontany Marotoko, distrikan’Iakora. Natao izao ho enti-manatsara ny asa fiveloman’ny ankohonana. Tanjona ny hametraka ny fiompiana trondro ho toy ny fiompiana akoho ka afaka hanao azy ny besinimaro,ho hampiroboroboina izany manerana ny faritra.
Manao fanadihadiana mahakasika ny famokarana voatabia any Tsarasaotra sy Andina ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Nisy ny dinika sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ny solontenan’ny kaoperativa any an-toerana momba ity famokarana ity, tao amin’ny biraon’ny talem-paritra Amoron’i Mania.