Nangalatra vatokely sy fasika: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanasy « carreau voalohany » Toamasina, ny alatsinainy teo ny raim-pianakaviana iray 45 taona. Raha ny angom-baovao, lehilahy iray mipetraka eo akaikin’ny toeram-pivarotana fasika sy vatokely fanamboaran-trano no naniraka azy hangalatra vatokely sy fasika an’olona iray manamboatra trano. Tsy lavitra teo amin’ny toeram-pivarotana no misy ity trano vao amboarina ity. Tsy nisalasala tokoa ilay niharam-boina nandeha nangalatra vato sy fasika. Efa nahatatitra efatra kitapo izy no nisy nahatsikaritra tampoka. Raikitra teo ny fifanenjehana ka tratran’ny fokonolona izy. Vono sy daroka no nataon’ny olona azy satria nentin-katezerana rahateo izy ireo noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Nanon­tanian’ny olona izay naniraka azy hangalatra izy. Rehefa henon’ny fokonolona izany,  notarihin’izy ireo nanatona ny tranon’ny mpaniraka ity mpangalatra. Efa nahare izany mialoha anefa ity mpaniraka ka lasa nitsoaka nandositra io alina io ihany. Tezitra ny olona ka nitohy ihany ny vono sy daroka. Tsy nitsahatra izany raha tsy tapitra ny ainy. Napetrak’ireo fokonolona teo ambavaravaran’ilay mpaniraka ny fatin’ity mpangalatra. Tsy mbola tonga any amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe ny razana kanefa milaza ho tsy nahazo izany ny fianakaviany, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Mirongatra indray, araka izany, ny fitsaram-bahoaka ao Toamasina.

Sajo/J.C

Partager sur: