Kitra D2 Nasionaly : 12 ny ekipa tafita amin’ny dingana faharoa

Nifarana ny alatsinainy lasa teo, ny lalao dingana voalohany “Ligue des Champions”-D2 Nasionaly. Ireo telo voalohany isam-bondrona no tafita hiatrika ny dingana manaraka.

Tsy anisan’ireo ekipa tafita amin’ny dingana faharoa, fifaninanana “Ligue des Champions” D2 Nasio­naly, ny Five FC sy ny FC Rouge Analamanga. Miisa 12 ny klioba hiatrika izany ma­nomboka ny 8-17 septambra. Marihina fa izy ireo no nahazo ny laharana telo voalohany isam-bondrona, nandritra ny fifanintsanana voalohany.

Tsiahivina fa ny FC Rouge, tao amin’ny vondrona Ambatondrazaka, nahazo isa dimy tamin’ny lalao dimy na­taony. Lavo indroa sy nanao ady sahala roa ary nahazo fandresena tokana izy ireo. Nahazo isa 6 ny Five FC, vondrona Ambanja. Fandresena iray sy ady sahala telo ary faharesena iray no azon’ity ekipa nivarina tamin’ny “Oran­ge Pro League (OPL)” ity, nandritra ireo lalao dimy notontosainy,isa izay tsy ahafahany manohy ny lalao.

Ankoatra izay, ny ASJFC irery ihany no klioba nihintsana tamin’ny “OPL” manohy ny diany amin’ity D2 Nasionaly ity. Ny ekipan’ny FC Zoya Boeny, nifaninanana tao amin’ny sokajy Ambanja no klioba nisongadina indrindra ary nahazo isa 13. Fihaonana dimy nataon’ireo mpilalaon’i Boeny, fandresena efatra sy ady sahala iray ny vokatra azony.
Marihina fa ireo ekipa roa manao famaranana amin’ity D2 Nasionaly ity, miakatra avy hatrany ao amin’ny OPL.

Fitia Randria

Ireo klioba telo voalohany isam-bondrona

Ambanja :
FC Zoya Boeny – 13 isa
KFCA Diana – 8 isa
Espoir Betsiboka – 7 isa
Ambatondrazaka :
3FB Alaotra Mangoro : 11 isa
TGBC Atsinanana : 11 isa
AS 3A Amoron’i Mania : 6 isa
Toliara :
GJFT Betania Atsimo Andrefana : 10 isa
FC JSA Ihorombe : 8 isa
FC JM Androy : 8 isa
Tsiroanomandidy :
FC Inate Vakinankaratra : 12 isa
Jet Bongolava : 10 isa
AS JFC : 8 isa

Partager sur: