Andro vitsy aty aoriana, nanao taratasy fialantsiny ho an’ny filohan’ny federasion’ny Kung Fu ny fikambanana AS.NA.KU.FU.MA.BEH.MIRAY. Voarakitra anatin’izany, izay nosoniavin-dRalaivelomaharavo Albert, filoha amperinasan’ny fikambanana, fa maneho ny fialan-tsiny tanteraka amin’ny Grand Maitre Rakotoarijaona Avoko sy ny fianakaviany ary ireo rehetra nahatsiaro tafintohina tamin’ilay fanambarana nataony, tamin’ny talata 1 aogositra, momba ny kung-fu malagasy sy ny lehibeny izy ireo. Tsiahivina, nitondra fanazavana mahakasika ny tantara niainan’ny Kung fu hatramin’ny niforonany sy ny zavatra nolalovany ny fikambanana AS.NA.KU.FU.MA.BEH.MIRAY, tetsy amin’ny foiben-toerany Antsobolo. Na dia tsy nanao valin-dahatsoratra aza ny teo anivon’ny federasiona taorian’iny fanambarana nataon’ity fikambanana ity, azo antoka fa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, ka nahatongavana tamin’izao. Anisan’ny federasiona tsy tia korontana na savorovoro rahateo izy ireo, izay mampiavaka azy amin’ny hafa.
Mi.Raz