Hanainga anio, hihazo an’i Botswana, ny ekipan’ny Elgeco Plus Foot-ball Club. Hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF). Fihaonana, hikatrohana amin’ny Gaborone United, ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianja Gaborone. 20 ireo mpilalao hiatrika izany. Nanatevina ity ekipan’Analamanga ity i Feno, lohalaharan’ny Ajesaia Bongolava. Tsy afaka nandeha i Tendry, mpilalaon’ny Disciples FC, noho ny tsy fahavitan’ny taratasiny. Tsy mbola fantatra kosa na ho anisan’ireo afaka hilalao ny tenany amin’ny lalao miverina, tanterahina ny alahady 27 aogositra.
Vonona ny mpilalaon’ny Elgeco Plus. Nambaran’i Raux Auguste, mpanazatra, fa salama tsara avokoa ireo mpilalao ary ao anatin’ny ekipa avokoa ireo mpilalao nanomantena tany amin’ny Barea de Madagascar. Tanjon’ny Elgeco Plus, amin’ity lalao mandroso ity ny hitady fandresena sy hamono baolina voalohany. Tsiahivina fa amin’ny 4 ora folakandro any an-toerana, izany hoe, amin’ny 5 ora eto Madagasikara no hanombohan’ny lalaon’ny roa tonta.
Tompondaka