Antananarivo hifanandrina amin’Antsiranana ary Toamasina hifampitana amin’i Fianarantsoa. Ireo no hiatrika ny lalao manasa-dalana hiadiana ny amboaran’ny Filoha, taranja baolina kitra. Fihaonana, hotanterahina anio alakamisy, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium..
Hangotraka ny fihaonana, samy hiaro ny voninahiny avy mantsy ireo faritany tafita ireo. Hanohana ny ekipany avy ireo mpijery ho avy hanatrika ny lalao. Tsikaritra aloha fa manjaka ny “fair-play” eo amin’ny mpifaninana sy ny mpanotrona ka misy hatrany ny fifanajana, araka ny tarigetran’ity fiadiana ny amboaran’ny Filoha ity.
Ankoatra izay, misy ireo mpilalao vaovao misongadina ankoatra ireo efa mifaninana amin’ny “Orange Pro League”, manatevina ny ekipa isanisany. Ahitana ireo talenta vao ny ekipan’Antsiranana sy Toliara.
Tsiahivina fa hatao ny alahady 20 aogositra, ao amin’ny kianja Barea, ny famaranana. Hetsika maroloko no ho hita ao, iarahan’ny fianakaviana mihanoka. Ho avy ao ny Barea, hanao fanazarantena, hitsofana rano azy ireo koa mialoha ny lalaon’ny Nosy. Maimaimpoana ny fidirana, mandritry ny lalao rehetra amin’ity fiadiana ny amboaran’ny filoha ity.
Tsiahivina, fa faritany 6 no nandray anjara, nanomboka ny 10 aogositra lasa teo.
Torcelin