Kitra – Amboaran’ny filoha : tafita amin’ny famaranana Antananarivo sy Toamasina

Nafana tanteraka ny lalao manasa-dalana teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By pass. Hiady ny amboarabe amin’ity fifaninanana ity Antananarivo mpampiatrano sy Toamasina.

Notanterahina omaly alakamisy 17 aogositra ny manasa-dalana, fia­diana ny amboaran’ny filoha “Coupe du Président 2023”. Nahazo ny tapakila hiatrika ny famaranana atao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 20 aogositra ho avy izao ny tompon-tanana, Antananarivo sy Toamasina.

Ny ekipan’i Toamasina, nandavo an’i Fianarantsoa, tamin’ny isa 1 no ho 0. Baolina tafiditr’i Angelo, vodilaharan’i Toamasina, teo amin’ny minitra faha-21 no nahazoan’izy ireo ny fandresena. Marihina fa ity vodilaharana ity ihany, nahazo ny mpilalao mendri­kin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta.

Avotra tany amin’ny ora farany ny Renivohitra. Nan­dresy an’Atsirananana, 1 no ho 0 ihany koa, izy ireo. He­tsika tsara nataon’i Navalona, laharana faha-10, Antanana­rivo, izay namitaka vodilaha­rana dimy ka afaka nanolotra an’i Ravaka no nitondra fandresena ho an’ny mpilalaon-dRasoanaivo Titi, mpanazatra. I Navalona no nahazo ny amboaran’ny mpilalao men­drikin’ny lalao nandritra ny fifanandrinan’ny roa tonta.
Tsiahivina fa ny alakamisy 10 aogositra lasa teo, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 i Toa­masina sy Antananarivo, nandritra ny andro voalohan’ ny vondrona A. Araka izany, ireo ekipa roa nanokatra izany tany am-piandohana ireo ihany no hamarana ny fifaninanana.
Ankoatra izay, ny sabotsy 19 aogositra ho avy io, eny Ma­hamasina, hisy ny fihaonana hiadiana ny laharana fahatelo amin’ity “Coupe du Pré­sident” ity. Ny ekipan’i Fiana­rantsoa sy Atsirananana no hifanandrina amin’izany. Tsia­hivina fa nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta, tamin’ ny andro faharoan’ny sokajy B.

Fitia

Partager sur: