Ho fampivondronana ireo mpianatra ara-toekarena, na ny ankehitriny na ireo efa nandalo tao dia hisy ny lalao ara-panatanjahantena, baolina kitra lalaovin’ny olona 7, lahy sy vavy, manomboka ny zoma 25 sy sabotsy 26 ary mifarana ny alahady 27 aogositra izao, etsy amin’ny kianja Paul Minault Androhibe. Ankoatra ity lalao ity dia hisy ny lalao isan-karazany ho hita eny an-toerana mandritra io telo andro io.
“Ho fampiraisana sy fampivondronana indray ireo rehetra nandalo tao amin’ny CNTEMAD no tanjon’ity lalao ity… indrindra ireo mpikatroka ny fianarana toekarena ary hiantsoana ny rehetra nandalo sy ny mpianatra hanatevin-daharana sy handray anjara amin’ny lalao. Ny CNTEMAD dia fampianarana ampitain-davitra eto Madagasikara, ka samy any amin’ny misy azy ny mpianatra tsirairay, misy efa miasa, misy koa anefa mbola mpianatra fotsiny, Mendrika hiaina toy ny mpianatra ambaratonga ambony rehetra ambonin’ny tany anefa ny mpianatra ao, izany hoe, misy fifandraisana, mba hahatsapa hoe mianatra anaty toeram-panofanana miaina. Ny tanjona izany dia ny hampifandray ny mpianatra rehetra, haneho firaisan-kina, haneho ny maha zava-dehibe ny fahasalamana, hampahafantatra ireo zandry koa anefa ny fisian’ ny CNTEMAD indrindra ireo vao afaka Bacc” hoy Rakotondrandria Lalatiana Alferi, Filoha mpitarika ny fikambanan’ny mpianatra toekarena. Sady ”assistant Prof en Microéconomie” ao amin’ny CNTEMAD. Marihina, fa efa any ho any amin’ny 10 000 isa any ny mpianatra ao amin’ity ivontoerana fampianarana ity ary eto Antananarivo ny ankamaroany.
Njaka A.