Hanangana toeram-ponenana manara-penitra eny Andavamamba ny tetikasa « PRODUIR ». Natokana ho an’ireo hifindra monina noho ny fanadiovana ny lakandrano C3 izy io ary hamaly ny hetahetan’ ireo mponina mba hiaina amina toerana maha
te-honina kokoa. Tsiahivina fa nisy tondradrano, ny taona 1959 izay niteraka fahasimbana maro.
Hivadika seranam-piaramadina iraisam-pirenena manomboka androany ny seranam-piaramanidina Ankoronga Toliara. Tonga nijery ity seranana ity ny tale jeneralin’ny ADEMA, Andrianiaina Jean Germain. Nomanina nandritra ny telo volana ireo fotodrafitrasa takina rehetra, toy ny toby misahana ny vonjy aina sy ny famonoana afo ary ny fefy mirefy 7km.
Nankalazaina ny herinandro lasa teo, tao Ankadinondry Sakay, ny Andro ho an’ireo saha sekoly misehatra amin’ny ady amin’ny olitra lezionera amin’ ny katsaka. Nomena fampitaovana ireo vondron’ny saha sekoly nahazo taham-bokatra ambony amin’ny katsaka sy nahita fomba fiady mahomby amin’ny olitra lezionera.
Entana mitentina 6 281 100 Ar nodorana teny Mandrosoa Ivato, ny alatsinainy teo. Natao izao tsy hiparitahan’ny entana mety hampidi-doza ho an’ny mpanjifa. Tratra nandritra ny fitsirihana sy fisavana nataon’ny ekipan’ny foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC)