indray mijery

Hanomboka anio, haharitra hateloana ny “festival” momba ny atody. Hatao eny amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, karakarain’ny kaominina sy ny fikambanana 2A, ahitana ny fikambanan’ny mpiompy. Tanjona ny hisarihana ny mponina hanjifa atody sy hiompy akoho mpanatody lava fa mahavelona ity fihariana ity.

Hanorana tandrifindrahona mahalana any Analan­jirofo sy Toamasina, anio. Holalovana orana tandrifindrahona, indrindra ny alina, any Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Handrahona mitsi­tokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa, araka ny tomban’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Miisa 1,8 miliara ny tanora 10 ka hatramin’ny 24 taona maneran-tany. Izay no antony hiasan’ny tetikasa “Jeune Leader” sy ireo fikambanana maro maneran-tany hanatsara ny resaka fampianarana, fahasala­mana ary ny zon’ny tanora. Andrin’ny firenena ary fanoitry ny fampandrosoana ny tanora, indrindra ireo efa miantsehatra amin’ny asa.

Vita ny herinandro teo ny fikaonandoha fakan-kevitra tamin’ireo mpiantsehatra rehetra sy ireo tomponandraikitra eny ifotony. Mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny hetsika ho an’ny distrikan’i Morombe. Fotoana nanaovana jery todika sy nakana lesona, hitondrana fahombiazana kokoa.

Partager sur: