Lasa lavenona tanatin’ny indray mipi-maso ny entana sy ny biby fiompy tetsy Antohomadinika, omaly. Tokantrano 18 may noho ny antony tsy fantatra mazava.
Trano biriky telo niampy trano hazo am-polony, hotohoton’ny afo, teny amin’ny fokontany Antohomadinika afovoany, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany. « Niainga tamin’ny trano hazo iray nisy mpivarotra kafe sy mofo ny afo », hoy Ranaivomanana Réné, iray amin’ireo tompontrano lasibatra. Tsy fantatra mazava raha toa ka vokatry ny afo nirehitra tao an-trano na « court-circuit » ity voina ity. Nihitatra tamin’ny trano hazo hafa manodidina anefa izany. Minitra vitsy, nifindra tamin’ny trano biriky tsy lavitra teo ny afo. « Nifamonjena ny afo ka nandavaka tao amin’ny honahona nangalana rano ny fokonolona rehefa lany ny tamin’ny zerikanina », nambaran’ Andrianarivo Emile. Nampitampita teny ambony tafo ny rano ka namonoana izay tratra. Nanampy azy ireo nifehy ny firehetana ny sampana mpamonjy voina. “Mila mailo hatrany ny tsirairay satria fotoana mampirongatra ny haintrano izao”, hoy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny Kly Tiana Razafimanahaka.
Kila ny biby fiompy, tsy hita ny entana
Tsy nilaozan’ny mpanararaotra, tapitra tsy hita ny ankamaroan’ny kojakoja tao an-tokantrano navoakan’ny tompony teny ivelany. “Niezaka nanavotra entana toy ny vilany sy lovia izahay saingy lasan’ny mpanararaotra ka tsy hita intsony”, hoy ny renim-pianakaviana iray may trano. Ankoatr’io, levon’ny afo ny kisoa roapolo mahery sy vorona fiveloman’ireo tokantrano lasibatra ireo. “Tsy fantatra mazava ny tena niandohan’ny afo”, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra voakasika ao Ankazomanga, Razanakoto Joseph.
Tsiferana R.