Moramanga : ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mpanao fanafihana

Naiditra am-ponja ao Mo­ramanga omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra tao Moramanga. Ny sabotsy 12 aogositra teo, nitrangana fanafihana tao amin’ny toeram-pivarotana iray eo amin’ny lalana garavaky. Nanao fisafoana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo momba ity fanafihana ity. Nahita olona maromaro mody manao karatra eo ambanin’ny hazo midoroboka sady mibaby kitapo ireo zandary tamin’ny fotoana nanaovana ny fisafoana. Nampiahiahy ny zandary ny fihetsik’ireto lehilahy ireto ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy ireo. Nahitana basy PA, pince coupante, sarontava sy fitaovana samihafa tany amin’ireto jiolahy ireto. Nosam­borin’ny zandary ry zalahy ka nentina nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny famotorana azy ireo no nahalalana fa avy any Atsimondrano izy ireo saingy misy havany mipetraka ao Moramanga. Io havany io no nampidina azy ireo tany an-toerana fa hoe misy fanafihana sy volabe alaina ao Moraman­ga. Nosam­borina ity lehilahy nampiantrano jiolahy ity. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy ka izao naiditra am-ponja izao.

J.C

Partager sur: