TARATRY ny KANTO

Ao anatin’ny famerenana ireo mpanao soradihy hanatontosa ny lanonam-panokafan’ny “Lalaon’ny Nosy”, ny 25 aogositra ho avy izao. Ireo maneho ny dihy mampiavaka ny foko rehetra misy eto Madagasikara no niakatra teo amin’ny kianja Barea, omaly. Manohy kosa ireo amin’ny sehatra hafa, ary miara-miatrika ny famerenana farany, ny 22 sy 23 aogositra izao.
Mitohy ny adin-kiragasy, etsy amin’ny Kianjan’ Ampefiloha. Hifanandrina rahampitso alahady, ny Zaza navelan-dRafarilahy Raymond avy any Ambatoantra­nobe sy ry Dadalôra avy any Manalalondo. Hiarahan’ny fikambanan’ny mpihira gasy sy ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina ny mikarakara izy ity, ka tsy misy vidim-pidirana aloha, fa rakitra ho hotatazana.
“Championnat de Madagascar, Danse 2023”. Tontosaina anio sy rahampitso, ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny « Championnat de Mada­gascar Danse 2023 ». Ny FMDS, miaraka amin’ny ligin’i Vakinankaratra , no mikarakara ny fifaninanana. Salsa sy Bachata ary Kizomba no hifaninanana mandritra izany, ary ho sokajina fito ny mpandray anjara.
“ ça claque”. Tanterahina anio eny amin’ny Aft Andavamamba ny hetsika “ça claque”. Fampisehoana “Slam poésie”, karakarain’ny Madagaslam, Section Tana, isaky ny sabotsy fahatelo amin’ny volana izy ity. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra amin’ity anio ity, ao anatin’ny fanajana ny fitsipika sy ny fepetran’ny Slam.

Partager sur: